<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry kapiteny, be ny ady manjo FFPM641</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Kapiteny, be ny ady manjo
 Mila ho reraka sy kivy ny fo,
 Ka hatanjaho mba
 hatoky Anao,
 Tompo ô ! avia mamonjy
 ahy izao :
 &quot; Eny, Izaho mamonjy anao,
 Ka mampahery sy miaro
 anao ;
 Aza matahotra mihitsy
 hianao,
 Fa Izaho momba sy manampy
 anao.&quot;

[V2]
 Ny fahavaloko atý mba reseo,
 Ka taomy aho mba handray
 rahateo
 Ny fiadiana avy ao Aminao ;
 Tompo ô ! vimbino aho,
 aza mandao ;
 &quot; Eny, Izaho, ..sns.

[V3]
 Loza tokoa re ny tahotra teo,
 Ka na mamely ahy aza ireo,
 Tsy mba manahy intsony
 aho izao
 Fa mamonjy sady
 tsy mandao Hianao.
 &quot; Eny, Izaho, ..sns.

[V4]
 Fa ny mpiady maharesy atý
 No hosatroham-boninahitra
 arý ;
 Maro no efa tonga ao
 Aminao,
 Tompo ô! avia hitarika ahy
 hankao
 &quot; Eny, Izaho, ..sns.</lyrics>
<hymn_number>641</hymn_number>
</song>